Andapa : 7 lahy nilaza ho kalanoro mahay mampitombo vola
27 Janoary, 10h00. Lehilahy 7 no nisoloky ho kalanaoro mahay mampitombo vola tao Tanamangotroka Tanandava distrikan’Andapa. Mpanao vola sandoka anefa no tena asan’ireo lehilahy ireo ary maro no efa voafitany. Manoloana izany dia nametraka fitoriana ireo voasoloky ka nanao vela-pandrika ny avy ao amin’ny komandin’ny zandarmarian’ Andapa. Olona 5 no efa tratra teo anelanelan’ny 11 janoary hatramin’ny 15 janoary teo, natolotra ny fampanoavana ny 18 janoary teo izy ireo ary efa nahiditra am-ponja. Mbola karohana kosa ny roa ambiny.
