Bealalana : Nitombo isa ireo voan’ny Covid-19
27 Janoary, 10h30. Tafiakatra 38 ireo olona mitondra ny tsimokaretina tamin’ireo 60 natao fitiliana ao Bealalana raha ny tatitra ny 25 janoary teo. Tranga misy fahasarotana ny roa amin’ireo. Miverina miakatra ny antontan’isa, olona 4 no nahitana ny trangana Covid-19 tamin’ny fotoana nandraisan’ny fitondram-panjakana fepetra farany teo. Nakatona avokoa ireo sekoly, noferana ny famoriam-bahoaka sy ny fisokafan’ny tsena.
