ActualitésTsidika

Andro ratsy : Mila fanampiana ireo tra-boina

Miakatra ny isan’ireo tra-boina noho ny andro ratsy eto aminstika, indrindra ny eto an-drenivohitra. Misy ireo fikambanana sy olon-tsotra ary sampana isan-karazany izay miezaka manampy na ara-tsakafo na ara-pitafiana ; saingy vitsy ny fanampiana raha mitaha amin’ny ilain’ireo tra-boina.

« Samy mitady izay hohaniny ny ato. Misy ny manampy saingy tsy ampy raha mitaha ny filàna an-davanandro izany. Tsy ampy ny sakafo. Tsy mahita aleha rahateo ny tena fa rava tanteraka ny trano » hoy ny fianakviana iray tra-boina ao amin’ny EPP Amboditsiry. « Tokantrano 142 izao eto Amboditsiry no tra-boina. Efa nisy nanome fanampiana. Ato anefa misy vehivavy sady bevohoka no mitaiza kely. Lafika tsy misy kidoro no hita tao » hoy ny fikambanana iray nitondra fanampiana teny an-toerana. Miakatra ny isan’ny tra-boina. Mila mifanampy sy mifanohana isika mpiray tanindrazana.

Manana adidy amin’ny mpiara-belona isika. Na olon-tsotra na fikambanana ataovy izay azo atao hanampiana azy ireo » hoy i Dera, mpianatra fiarahamonina eny Ankatso. Tsy misy manana ny ampy tokoa fa ny fifanampiana no zava-dehibe. Tsy ara-bola ihany akory fa eo ihany koa ny ara-pitaovana, ny ara-tsakafo, ny ara-pitafiana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire