Androhibe: Nodoran-dramatoa tamin’ny rano mangotraka ny vadiny
25 oktobra; may ny vatan’ilay rangahy: ny tarehiny, ny tratrany, ny taovam-pananahiny. Notondrahan’ny vadiny tamin’ny rano manogotra ny alahady teo; teny Andrianalefy Androhibe. Efa tsy nifankahazo ary miady matetika izy mivady ireto. Nandositra ilay ramatoa rehefa avy nanondraka rano mangotraka ny vadiny.
