Fahasalamana an-tsekoly: Hametrahana toeram-pitsaboana ny fari-piadidiam-pampianarana miisa 114 eto Madagasikara
Ao anatin’ny tetik’asa “Tsinjo Fahasalamana” dia hametraka toeram-pitsaboana ho an’ny mpianatra amin’ny fari-piadidiam-pampianarana miisa 114 manerana an’ny Madagasikara izy ireo. Tetik’asa ao anatin’ny fiahiana ara-tsosialy izany ary entina hanampiana ireo mpianatra kely mba hahazo fandraisana ara-pahasalamana arak any tokony ho izy.
“Lehibe ny tanjona amin’ity tetik’asa ity, ho fitsinjovana ny fahasalaman’ny mpianatra an-tsekoly, izay antoky ny fahombiazan’izy ireo izany tanjona izany. Asa lehibe indrindra ny fananganana toeram-pitsaboana an-tsekoly izay hatsangana manerana ny Nosy”, hoy ny avy ao amin’ny Ofisy nasionaly misahana ny fisorohana ny voina an-tsekoly (ONAPASCOMA)
Hahafahana manatanteraka izany, ety am-piandohana dia misy ny fampiofanana hatolotra ireo dokotera miisa 7 sy mpitsabo mpanampy miisa 20 mandritra ny 12 andro. “Horatovin’izy ireo ny fitantanana ny fanafody. Hisy koa ny fanamafisam-pahaizana. Hiampy tsikelikeky araka izany ny isan’ny mpitsabo hiatrika fiofanana mba hahafahana mameno ireo fari-piadidiam-pampianarana miisa 114 aoa antin’ny tetik’asa”, hoy hatrany ny fanazavana.
“Hitako oe manala fahasahiranana izany hetsika izany ka tokony tsy atao ela noho izany ny fanatanterahana azy”, hoy I Yvette, Ray aman-dRenin’ny mpianatra.
Raha ny fantatra dia amin’ny alalan’ny latsak’emboka 200 ar isan-jaza isan-taona eny an-tsekoly no entina hanodinana ny « Tsinjo fahasalamana ». Ireo mpitsabo hampiasaina amin’izany toerana izany ihany koa dia tsara kokoa ny misafidy azy ireo amin’ny alalan’ny fahafoizan-tena hanao asam-panjakana sy olona tia manampy ny ankizy hahamora ny fandraisana ireo marary.
Miora Raharisolo
