Tsy fandrim-pahalemana eto andrenivohitra : Jiolahy 20 voasambotra
Nanomboka ny alatsinainy 23 Aogositra 2021 teo, miisa 20 ireo mpanendaka sy mpamaky trano tratra teo ampanaovana ny asa ratsiny na tratra ora vitsy taty aoriana no voasambotra teto andrenivohitra.
Ny alatsinainy 23 Aogositra, maromaro ireo jiolahy no tratra teny amin’ireny fiantsonan’ny fiara ireny nohon’ny hetsika nataon’ny polisy. Ny andro io ihany dia nitrangana fanafihana teny Anosimasina Itaosy, mpivarotra saribao iray no lasibatra tamin’izany. Jiolahy roa no niditra ankeriny tao amin’ny fivarotan’ity farany ka nanambana basy azy. Rehefa azony ny vola dia lasa nandositra ireo jiolahy.
Vao nahare izany tranga izany ny polisy teo amin’ny boriborintany faha7 dia nametraka vela-pandrika ny polisy ary nanao ny fikarohana azy ireo. Vokany, voasambotra teo Andohatapenaka ireto jiolahy roa ireto. Voaverina tamin’ilay mpivarotra saribao kosa ilay vola nangalarin’izy ireo. Mba hitandroana ny filaminana, manatanteraka fidinana eny amin’ireo voalaza fa faritra men any andiana polisy maromaro, indrindra fa ireo tsena sy fiantsoan’ny fiara.
Polisy maro no mitetitety ireo faritra mena maraina mandrapahariva ny andro ary ny alina. Nahitam-bokany izany hetsika nataon’ny polisy izany. Ny voalohandohan’ny herinandro teo dia voasakana ny fanafihana mitam-piadiana nokasain’ny andian-jiolahy maromaro natao teny amin’ny Fasan’ny karana.
Manentana hatrany ny mponina rehetra ny polisim-pirenena mba ho malina sy hitandrina hatrany, indrindra amin’izao fotoam-pialantsasatra izao. « Amin’izao fotoana fialan-tsasatra izao no mahabetsaka ireo mpanendaka satria maro ireo olona mifamezivezy. Tsara hatrany raha mitandrina foana isika. Alao isika tsy mamoaka vola be eny an-dalàna na milalao finday eny an-dalàna fa misarika ireo mpanao ratsy izany » hoy ny fanazavan’ny mpitandro filaminana. Ankoatra izay fampitandremana, manentana ireo olona ihany koa ny mpitandro filaminana mba hampandre azy ireo raha misy tranga mampiahiahy.
Sitraka Rajaonarivony
