Vaksiny Astrazeneca – Mahajanga : Nanomboka ny andiany faharoa
Nanomboka ny talata 24 Aogositra 2021 teo ny andiany faharoa amin’ny fanaovana vaksiny Astrazeneca. Maro ireo olona tazana teny amin’ny toeram-panaovam-baksiny tao Mahabibokely.
Olona efa nahazo taona, lehilahy sy vehivavy ary tanora mpianatra maro no hita teny an-toerana nilahatra hoam’izany fanaovam-baksiny. Haharitra 10 andro ity fanaovam-baksiny ity ary toerana iray ihany no hanatanterahana izany hoan’ny distrikan’i Mahajanga I. « Miisa 5085 ny fatran’ny vaksiny Astrazeneca ary 5 000 fatra izany hoan’ny vaksiny Johnson&Johnson hoan’ny distrika Mahajanga I. Ho tanterahina 10 andro aorian’ny vaksiny Astrazeneca ny fanindronana ireo vaksiny Johnson&Johnson. Mety hisy tranga aretina kely miseho ao aorian’ny fanaovam-baksiny manentana hatrany izahay mba hinana doliprane ireo vita vaksiny » hoy ny fanazavan’i Dokotera Solange Hoasy, talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka.
Ankilany nanambara ihany koa ny solotenan’ny OMS, fa iray ihany ny vaksiny Astrazeneca sy ny Covishield. Vaksiny mahazaka ny hafanana eo anelanelan’ny 2 hatramin’ny 8 ° ireo hoan’ny faritra tropikaly. Mifanaraka hatrany amin’ny mari-pana eto Madagasikara izany ireo vaksiny ireo. Mahomby kokoa amin’ny variant delta ny Astrazeneca.
Manentana ireo mponina ao Mahajanga araka izany ity solontena ny OMS ity. Ankilan’izay, mitohy hatrany fisoratana anarana eny amin’ny tobim-pahasalamana CSB hoan’ny fanaovana vaksiny Johnson&Johnson. Hoan’ity andiany faharoa ity, notsinjaraina isaky ny distrika ireo fatra fa tsy natao isam-paritra intsony. Ny OMS no misahana ny fizarana sy ny fandrindrana izany.
Sitraka Rajaonarivony
