Social

Inona moa ilay tetik’asa « Ankohonana Miarina »?

Maro ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanjakana izay mifandrimbona mba ahafahana manarina ny fari-piainan’ireo ankohonana tafalatsaka tanteraka ao anaty fahasairanana. Anisan’izany ny fiara-miasan’ny ao amin’ny FID sy ny mpitondra fanjakana amin’ny alalan’ny tetik’asa « Ankohonana Miarina ».

« Vatsy ara-bola sy tantsoroka avy amin’ny Goveremanta Malagasy, miaraka amin’ireo mpiray ombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ity tetik’asa Ankohonana Miarina ity » raha ny fanazavana nomen’ireo tompon’andraikitra. Ireo ankohonana voalahatra fa tena sahirana ao anatin’ny kaominina no hisitraka ity fanampiana ity ary efa nanana porofo mazava sy vita fanamarihana ifotony izy ireo. Efa nisy ny fanadihadiana isan-tokatrano mba ho fanamarinana ary efa nisy ireo kaomity mandrafitra ny lisitra sy manao ny fankatoavana ampahibemaso ireo olona afaka misitraka izany.

« Anisan’ireo tena nanampy betsaka ny ankohonanay ary mba nahavitana niharina teo amin’ny fiainana ny fisian’ity tetik’asa iray ity » raha ny filazan’i Fidy, raim-pianankaviana isan’ireo nisitraka ity Ankohonana Miarina ity. « Tokony mandeha ifotony ny ao amin’ny fanjakana foibe manara-maso fa misy ny kitranoatrano ataon’ireo eo anivon’ny fokotany ka ireo izay akaiky azy no omeny fa ireo izay tokony hisitraka dia tsy mahazo » raha nanambara mazava ny zava-misy eny amin’ny fokotanin’Anjanahary i Maria, mponina eny izay tokony hisitraka tanteraka ity fanampiana ity.

Marihina fa lelavola mitentina 50 000Ar isam-bolana isaky ny ankohonana, mandritra ny enim-bolana ny fisitrahana ity fanampiana « Ankohonana Miarina » ity. Raha ny fanampi-panazavana nomen’ireo tompon’andraikitra hatrany dia « voafetra ny vola enti-manana, noho izany voafetra ihany koa ny isan’ireo ankohonana marefo afaka sahanina ».

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire