France : Tovovavy iray miady amin’ny fahafatesana vokatry ny ratra nahazo azy nataona mpitondra scooter
Tovovavy iray 15 taona no nodominin’ny tongodroa, tsy nisy takelaka, tao amin’ny tanànan’i Lyon, ny herinandro teo. Voadona mafy ity zazavavy ity, ary nentina namonjy ny hopitaly tao an-toerana. Ahiana mafy ny ainy vokatry ny dona nahazo azy. Raha ny nambaran’ireo polisy tao an-toerana, nandefa mafy ity mpitondra tongo-droa ity ary tsy nahafehy ny familiana. Vaky nandositra anefa izy taorian’ny nisehoan’ny loza ka niafina tao amin’ny trano iray. Ireo dian-dra tamin’ny tany narahin’ny polisy no nahafahana nahita azy. Tao anatin’izany moa dia nahitana fitaovam-piadiana, basy miisa roa izay efa tsara fahana tao anatin’ny entan’ity lehilahy ity, izay vao 20 taona. Ao anatin’ny fanadihadiana azy ireo manam-pahefana any Lyon amin’izao fotoana.
