ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Hisy ny  fampianarana ny taranja anglisy sy informatique

Hisy ny fampianarana ny taranja anglisy sy informatique ary fampiofanana « call cenetr » atolotry ny kaominina Ankadikely Ilafy. Tsy misy ny saram-pianarana aloha fa maimaim-poana avokoa ny fiofanana, araka ny voalaza.

« Tsy misy « droit », tsy misy ihany koa ny saram-pianarana aloha fa  fifanampiana no atao amin’ny fampianarana teny anglisy, Informatique bureautique izay hampianarana ny logiciel Word, Excel, Internet ary fampiofanana « Call Center » ho an’ireo tanora na ankizy na olon-dehibe manana finiavana hivoatra eto amin’ny kaominina » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Ny Zoma 15 Martsa 2024 izao no fidirana amin’ireo fiofanana. Amin’ny 09 ora maraina no manomboka ato amin’ny « salle de mariage » n’ny kaominina. Mbola mitohy ny fisoratana anarana ato amin’ny biraon’ny kaominina ihany » hoy hatrany ny fanazavana.

Anisan’ny manao ezaka hatrany ny kaominina Ankadikely Ilafy amin’ny fanomezana fiofanana sy fampianarana ho an’ny sarangan-taona rehetra ao an-toerana. Ho an’ireo mila fanampim-panazavana mmomba ity fampianarana mirary ity moa dia afaka miantso ny laharana 0342756136.

Laisser un commentaire