Fandrim-pahalemana mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena
Samy tompon’andraikitra amin’ny tenany sy ny fananany ny rehetra amin’ny fiainana manontolo. Hankalaza ny fetim-pirenena Malagasy rahampitso ka ilaina ny fanamafisana ny filaminana sy fitandremana amin’ny lafiny rehetra mihitsy. Efa manome toromarika mikasika izany ny eo anivon’ny manam-pahefana misahana ny filaminana mandritra ny fankalazana saingy na izany tompon’andraikitra ihany koa ny tsirairay amin’izay mety hiseho rehetra.
Hiparitaka manerana ny renivohitra ny mpitandro ny filaminana hijery akaiky sy hanara-maso ny zava-miseho rehetra. Na izany koa aza anefa, manentana ny vahoaka ihany koa izy ireo mba hampandre hatrany raha misy tranga mampiahiahy. Anisan’ny fototry ny korontana sy matetika mitarika olana rehefa fety toy izao ny fisotroana alikaola sy fandraisana ireny zava-mahadomelina ireny ka aoka samy hahafehy ny tenany fa sao fifaliana no nandrandraina anefa fonja no hita noho ny fihetsika kely tsy voahevitra. Hentitra tanteraka ny eo anivon’ny manam-pahefahana amin’ny fampanajana fepetra sy toromarika ka aoka samy hitandrina hatrany.
Ally Herisoananahary
