Miditra tsikelikely amin’ny hairaha ny fampianarana
Efa nampanantenaina nandritra ny fampielezan-kevitra nataon’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny hampidirana ny fampianarana eto Madagasikara ao anatin’ny sehatry ny hairaha mba hanamora ny fampianarana sy hampiakarana ny fahaizamanaon’ny mpianatra. Anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Huawei dia « tablettes numériques » miisa 1500 no ho zaraina amin’ireo EPP amin’ireo faritra maro eto amin’ny nosy. Ireo mpianatra 10 mendrika indrindra amin’ny fanadinana bakalorea kosa dia hahazo fiofanana ampitain-davitra ary hitsidika ny ivotoeran’ny Huawei any Shenzen – Chine ao anatin’ny fandaharan’asa « Seeds for future » hoy hatrany ny filoham-pirenena. Toa ireo anjerimanontolo hafa manerantany sy eto Afrika dia mila mitodika amin’ny fampiasana ny haitao arakajy mirindra ihany koa ny fampianarana ambony eto Madagasikara. Mendrika izany tokoa ve anefa ireo zaza eny amin’ny ambaratonga fototra ? Tsy hisy voka-dratsy eo amin’ny fanabeazana ve izany ? Na izany aza anefa, tsy adino ny boky izay isan’ny omen-danja ankehitriny noho ny firoboroboan’ny teknolojia dia boky fampianarana sy rakibolana maherin’ny 7 tapitrisa no efa nozaraina sy naparitaka manerana ny nosy.
Nicole Rafalimananjara
