Toetr’andro : Miditra tsikelikely amin’ny vanim-potoana hatsiaka ny eto Madagasikara
Manomboka miditra tsikelikely amin’ny hatsiaka ny vanim-potoana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ankoatra ilay rivotra mangatsiaka mitsoaka dia ahitana orana madinika hilatsaka any amin’iny faritra Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Analanjirofo ary SAVA iny. Efa nanomboka ny talata teo izany ary hitoetra hatramin’ny anio. Ahitana filatsahana ihany koa ny mari-pana ho an’ny faritra afovoan-tany sy ny Atsinanana.
« Mandeha mizotra tsikelikely amin’ny vanim-potoan’ny ririnina isika amin’izao fotoana izao. Malaza amin’ny hatsiaka hatrany ny faritra vakinankaratra iny ka efa hatramin’ny 8°C ny mari-pana any an-toerana amin’izao fotoana izao. Handrahona ihany koa ny faritra sasany ary mety hisy orana harahina hatsiaka izany manomboka anio alakamisy », hoy ny avy ao amin’ny Foibe Famantarana ny toetr’andro.
Rehefa mangatsiaka ny andro dia maro ireo aretina mety hiseho sy mety hahazo ny ankamaroan’ny olona. « Ny gripa no tena mamely mafy ny olona rehefa mangatsiaka ny andro. Aza adinoina anefa ny mihinana voankazo betsaka. Aza adinoina ihany koa ny misotro rano mafana. Ny trano ataovy madio tsara hatrany ary vohay ho azon’ny masoandro. Raha manana fahefana mihinana fanafody manome hery fiarovana betsaka dia azo atao ihany koa izany », hoy ny torohevitr’i Fanja Rakotoarisoa, mpitsabo.
Ny vanim-potoan’ny mangatsiaka no mampitombo ny salan’isan’ireo voan’ny Covid-19 ka mbola mitoetra hatrany ireo fihetsika sakana rehetra. Efa tena ilaina ny fitondrana akanjo mafana hatrany satria miovaova be ny andro ririnina ka izany no ahafahana miaro tena.
Miora Raharisolo
