Andekaleka : Hiampy ny vokatra amin’ny angovo azo havaozina
Nisy ny fametrahana milina G4 tao amin’ny foiben’ny Jirama tao Andekaleka. Hiampy 33,2MW ny vokatra avy amin’ny angovo azo havaozina, raha ny voalazan’ny avy eo anivon’ny Jirama, ny faran’ny herinandro lasa teo. Hanamafy ny tamba-jotra iraisan’Antananarivo izany ka hampitombo ho 120MW ny vokatra avy any Andekaleka.
« Miezaka mikaroka vahaolana hatrany ny eo anivon’ny orinasa Jirama manoloana ireo olana sedrainy amin’ny famatsiana rano sy herinaratra ho an’ireo faritra rehetra manerana an’i Madagasikara. Hampitombo ny vokatra herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina no tanjona ao anatin’ny fametrahana izao milina izao » hoy ny avy ao amin’ny jirama.
« Ny vahaolana manoloana ny delestazy lava reny no tena handrasana amin’ny tompondraikitra. Mitondra voka-dratsiny lehibe eo amin’ny sehatr’asa sy ny fiveloman’ny vahoaka Malagasy ny tsy fisian’ny hazavana ka izay no andrasana amin’ny fametrahana izao vahaolana izao » hoy i Daniel, mpiasa tena.
Hanatsara ny tolotra amin’ny famatsiana herinaratra ataon’ny orinasa jirama ny fametrahana ity milina G4 ity, araka ny voalaza hatrany. Hampihena ny fampiasana solika izay hita fa miteraka fatiantoka ho an’ny orinasa ary hanao asa fikojakojana ny tobim-pamokarana ao amin’ny orinasa jirama.
Manitra Ramanantsoa
