ActualitésTatitra

Afrique du Sud : Nahitam-bokany ny « réformes économiques »

Nametraka tanjona ny hisarika fampiasam-bola 1 200 000 tapitrisa Rands (286 000 000 tapitrisa Ar) ao anatin’ny 5 taona ny filohan’i Afrique du Sud, Cyril Ramaphosa tamin’ny taona 2018. Tao anatin’ny 4 taona dia hita nitombo ireo mpampiasa vola tonga tao an-toerana, mipetraka ny fifampitokisana eo amin’i Afrique du Sud sy ireo mpampiasa vola goavana.

Tafiakatra 770 milliards de rands izao ny fampiasam-bola tao firenena raha ny sandan’ny taona 202 teo. Marihana fa sehatra maromaro no nanavao paikady ara-toekarena, « réformes » sy « relance économique » tao ao an-toerana. Voakasik’izany ny sehatrin’ny angovo, fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, fanafody, fizahan-tany, famokarana sy fanodinana sakafo.

Nahay nametraka ny « climat de confiance » nisarihana mpampiasa vola i Afrique du Sud. Nohamorain’ireto farany ny fahafahana manondrana vokatra eny amin’ny tsena iraisam-pirenena, namboariny ihany koa ny sehatra tena miasa indrindra ho an’izany dia ny fotodrafitr’asa toy ny lalana sy ny seranan-tsambo.

Laisser un commentaire