Namibie : « Parc national d’Etosha », valan-javaboahary ahafahan’ny biby miaina malalaka
Faritra arovana lehibe ao Namibie ny « Parc national d’Etosha ». Ao amin’ny faritanin’i Kunene, any amin’ny 400 km avaratry ny renivohitra Windhoek ary 125 km atsimin’ny sisintan’i Angola no misy azy.
Tany amin’ny taona 1907, nandritra ny fizanahan’i Allemagne no niforona io toerana io. Mbola natokana ho toeram-pihazana izy tamin’izany ary nisahana velan-tany 93 240 km2. Tamin’ny taona 1967 kosa izy no nahazo sata valan-javaboary saingy nihena 22 935 km2 ny velaran-taniny.
Ampahatelon’io valan-javaboahary io ihany no ahafan’ny besinimaro tsidihana. Anisany be mpitsidika indrindra ao Namibie nefa io toerana io ary fitoeram-biby be mpitsidika indrindra aty Afrique, mahatratra 200 000 isa isan-taona eo ny mpizahan-tany tonga ao amin’izany. Ahitana karazam-biby mampinono 114 isa sy karazam-borona 340 kosa ny toerana.
