RN7 : Fitanterana olona an-tsokosoko ho any Tsinjony
Mampiasa hafetsena ireo mpitatitra ka mbola manohy ny asany an-tsokosoko ihany saingy maneho sy fahaizany manoloana izany anefa ireo mpitandro ny filaminana. Androany Alakamisy 06 May maraina no tra-tehaky ny zandary ny fiara iray, saika hitondra mpandeha an-tsokosoko avy ao Behenjy ho any Tsinjony. Nandalo tsy nisy mpandeha izy teo amin’ireo zandary teo avaratry Behenjy fa kosa nandray olona miisa 8 raha vao afaka teo. Amin’ny sarany mihoam-papana sy tsy nahazoana alalana akory no saika anatanterahan’izy ireo ny asany izao tra-tehaky ny zandary izao. Efa niandry azy ireo anefa ny zandary ka noraisim-potsiny izy ireo na dia nampiasa hafetsena tanteraka aza. Sao mba isika ihany kosa ary no mitady olana ho antsika? Noraran’ny fanjakana ny fitaterana olona mba hiarovana amin’ny fiparitahan’ny aretina saingy nodikain’ireto olona ireto ihany. Minia mikipy manoloana ny loza mitatao aterak’izany isika.
Tsikaritra ihany koa omaly fa nisy sidina avy amin’ny Ethiopian Airlines ET 853 tafiditra teny Ivato tamin’ny 01 ora sy sasany atoandro, tokony nitondra entana. Raha ny nambaran’ireo nanatri-maso anefa dia nitondra olona ihany koa io fiaramanidina io. Aiza noho izany ireo fepetra napetrakin’ny fanjakana. Miasa sy masiaka ireo mpitandro ny filaminana amin’ireo madinika eto an-toerana, mifanohitra amin’izay kosa anefa ho an’ny any ivelany. Raha ny lalàna no jerena dia tokony ho entitra ny fitondrana amin’ny fampiharana azy.
Ally Herisoananahary
