ActualitésTsidika

Fananan-tany: Eny anivon’ny BIF irery ihany no afaka misoratra anarana hahazoana karatany

Nanamafy ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany fa tsy maintsy eny anivon’ny Birao Ifoton’ny Fananan-tany irery ihany no hahafahana misoratra anarana hisitrahana ny karatany. Efa maro amin’izao fotoana ireo olona misoloky ato anatin’ity sehatra ity. Tratra niara Efa misy tamin’izy ireny no tratran’ny mpitandro filaminana.

“Misy amin’ireo mpisandoka no milaza fa iraka avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika hizara tany. Tratra niaraka tamin’izy ireo ny Karapanondro 145 isa, dika mitovy amin’ny karapanondro 389 Sary tapaka 336 ary vola amana hetsiny. Maka vola be amin’ireo olona voarebirebiny izy ireo kanefa tsy misy tohiny. Miparitaka manerana ny toerana maro mihitsy izy ireo manao izany asa ratsiny izany”, hoy ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena.

Marihina fa efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana izy rieo izay efa nitety an’Ivato, Antohomadinika, Anodaharanofotsy, Ankadikely Ilafy sy Ambohimanarina ary Fokontany maro hafa. Manamafy araka izany ny Minister any amin’ny tokony hahafantaran’ny rehetra ny dingana tokony arahina. “Eny anivon’ny FIB eny amin’ny Kaominina irery ihany no afaka mampahafantatra anao ny mahaksika ny tokony ahtao rehetra. Aza mora voarebireby satria ny ratsy tsy kely lalana indrindra raha mahakasika ny tany izany. Tsy maintsy mandala eny anivon’ny FIB ireny vao afaka miroso amin’ny fahazoana karatra”, hoy hatrany ny Ministera manamafy ny teniny.

Na aiza na aiza misy zavatra karakaraina dia tsara hatrany ny manatona ny tompon’andraikitra hatrany satria izany no tena fahaizana miady. Aza mora hampiesonin’ireo mpanao ratsy ary mahaiza manadihady tsara ny momba azy ireny.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire