ActualitésTsidika

Zotra Itasy-Analamanga : Misokatra hatrany Arivonimamo

Efa nomena alalana ireo faritra hafa tsy tena voan’ny ny aretina coronavirus eto Madagasikara, ary afaka mivezivezy amin’ny faritra hafa tsy mikatona ihany ko aizy ireo. Manomboka androany 21 may no hiverina hiasa ny fiantsonam-piarakodia any Arivonimamo hitatitra olona asiana fanavahana hivezivezy eny an-toerana sy hankany amin’ny faritra Analamanga. Efa nomen’ny ben’ny tanànan’Ambatomirahavavy, Imerintsiatosika, Arivonimamo 1 sy 2 alalana ny fisokafana. Fitaterana miavaka ao amin’ny faritra no ho atao ary mampitohy ny faritra Analamanga. Natokana ho an’ny mpiasa sy mpianatra mipetraka any an-toerana kanefa miasa na mianatra aty Analamanga. Efa omaly Alakamisy izany no nambaran’ny Ivotoeram-pibaikoana any amin’ny faritra na CRCO miady amin’ny Covid-19 any Itasy. Ireo fiara miavaka no hametraka ny mpandeha ny maraina ary haka azy ireo ny hariva. Tsy afaka miovaova ny mpandeha amin’ny fiara iray ary indray mandroso sy indray miverina ihany no azony atao mba hisorohana ny fiparitahan’ny aretina anaty fiara. Azo antoka tsara ve ny fahasalamana mandritra izany ? Ny mpiasa makaty Analamanga kanefa mifanerasera amin’ny aty Analamanga avy eo mamonjy ny faritra misy azy ihany. Tsy misy afatsy ny fitandremana ihany no tena zava-dehibe, tokony arahina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana napetraka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire