Fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny karazan-javamanan’aina na ny « biodiversité »
Araky ny maha karazan-javamananaina azy, fitambaran’izay miaina rehetra ny « biodiversite » miresaka indrindra ny fifandraisan’izy ireo, ny tontolo misy azy. Ny 22 may no andro iraisam-pirenena natokana ho amin’izany manerana izao tontolo izao. Isika olombelona indrindra no tena anisany amin’izany karazan-javamananaina izany, isika izay afaka mihetsika sy mikarakara hetsika hiarovana ny « biodiversité » noho izany anisan’ny vahaolana isika. Ho fankalazana izany ary eto Madagasikara na dia mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana aza isika izao, misy ny fifaninanana an-tsary izay natao mba hanasongadinana ny karazanjavamananaina ao amin’ny Faritra Menabe. Afaka mandray anjara amin’izany avokoa ny rehetra ka ny 23 ayy izao no farany fandefasana izany. Mifantoka kokoa amin’ny zava-boahary ao Menabe ny fifaninana. Ny Alliance voahary gasy no mikarakara izany izay tohanan’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Mitentina hatramin’ny 2 400 000Ar ny vola ho azon’ny mpandresy voalohany amin’izany raha 1 600 000 Ar kosa ny faharoa ary 800 000Ar ny fahatelo. Mbola misy loka maro samihafa aza akoatran’izay ho an’ny mpandray anjara ka hatramin’ny laharana faha10. Isan’ny fanomezana lanja ny zava-boahary ny fandraisana lanja izany mba hankalazana ny andron’ny 22 may iarahana amin’ny firenen-drehetra.
Nicole Rafalimananjara
