Foto-drafitr’asa: Manana orinasa mpanodina “dipoavatra maitso” i Nosy Varika
Nametrahana orinasa mpanodina “poivre vert” ny tanànan’ny Nosy varika izay hita ao amin’ny Kaominina Ambandrika Ambhilava. Ity no orinasa fahatelo natsangana hanodinana ny vokatra avy ao an-toerana ao amin’ny faritra Vatovavy. Maro karazany ny tombony azon’ireo mponina any an-toerana amin’ny fananana ity orinasa ity.
“Orinasa fahatelo natsangana aty amin’ity faritra ity ity orinasa ity. Ireo vokatra eto an-toerana ihany moa no ahodina ato. Manana vina lehibe izahay dia ny hahafahana mampifaninana ny vokatra avy aty amin’ny vokatra iraisam-pirenena”, hoy ny Tale Jeneralin’ny orinasa.
Hampitombo ny harikarenan’ny faritra ny fananana ity orinasa ity raha tsy hiresaka afatsy ny asa vaovao hatolotra ireo mponina. Eo ihany koa ny fandraisana ny vokatr’ireo mpamboly. “Milanja iray taonina ny taham-pamokarana isan’andro ato amin’ity orinasa ity izay marihina fa vokatra avy eto an-toerana avokoa. Hanohana ny tantsaha ity orinasa ity fa hiteraka asa ho an’ny mponina any an-toerana ihany koa. Manodidina ny 200 eo ho eo ny mpiasan’ny orinasa avy amin’ity toerana ity amin’izao fotoana izao”, hoy ny Dokotera Lucien Randriarison, governoran’ny faritra Vatovavy.
Ankoatra ny dipoavatra dia mieritreritra ny hisokatra amin’ny sehatra hafa ity orinasa ity toy ny fanodinana ny kafe. Marihina fa efa manana toeram-piasana hafa miisa roa any an-toerana ity orinasa Queen Spices eto Madagascar.
Miora Raharisolo
