Alasora: Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny EPP Alasora
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny Alakamisy teo ny EPP Alasora. Tonga nanotrona izany fitokanana izany tao an-toerana ireo olo-manan-kaja maro sy fanta-daza eto amin’ny firenena, araka ny voalaza.
“Araka ny fanamby napetraky ny kaominina tamin’ny taon-dasa dia vita soa aman-tsara ny fanavaozana sy fanamboarana ny EPP Alasora. Ity EPP ity izay anisan’ny EPP tranainy indrindra eto an-toerana, izay efa niorina hatrany amin’ny taona 1906” hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.
“Hisaorana indrindra ny tomponandraikitra sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny amin’izao fahavitan’ny EPP izao. Tena taratry ny fndraisana andraikitra ary fanohanana tanteraka ny fanabeazana izao, izay natao tanaty ezaka sy mba ho fampivoarana ny kaominina” hoy I Roger, mponina ao Alasora.
Anisan’ny nanatrika ity fotoana ity moa solombavambahoaka voafidy teto Avaradrano, ny tale kabinetran’ny fiadidiana ny repoblika, ny sefo distrikan’avaradrano, ny sefo cisco avaradrano ary ireo avy amin’ny orinasa sy fikambanana mpiara-miombon’antoka niara-nisalahy sy nanohana tamin’ny fahavitan’iza foto-drafitr’asa izao.
Manitra R.
