Alasora: Nitohy teny amin’ireo fokontany hafa ny fanentanana nataon’ny Kolotanana
Nitohy teny amin’ny fokotany Mahitsy, Ambohimarina, Ambohitanety ary teny Ampahibato ny fanentanana nataon’ny fikambanana Kolotanana, ao amin’ny kaominina Alasora, tamin’ny faran’ny herinandro lasa iny.
“Mbola ao anatin’ny fampahafantarana sy ny fanentanana hatrany ny ato amin’ny fikambanana amin’izao fotoana izao, izay nirotsahana teny ifotony nampahafantarana sy nampandraisana anjara ireo mponina tamin’ny lalao sy fanentanana isan-karazany” hoy ireo avy ao amin ‘ny fikambanana.
« Ilaina dia ilaina ny fampahafantarana sy ny fanaovana fanentanana hahafahana manova tsikelikely ny rehetra ho tia sy hanaja ny fahadiovana. Ny tsy fahampian’ny fanentanana no anisan’ny mahatonga ny olona tsy hahalala hadio sy hikajy ny tontolo » hoy i Fifaliana, mponina ao Ambohimarina.
Mbola hitohy hatrany ny hetsika fanentanana ity araka ny voalaza, ary hahazo ny anjarany ihany koa ireo fokontany hafa ao anatin’ny kaominina Alasora.
Manitra Ramanantsoa
