ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Tontosa soa aman-tsara ny fitsarana miaramila

Tontosa soa aman-tsara ny faran’ny herinandro lasa teo ny fitsarana miaramila ho an’ireo zatovo lahy sy vavy 19 taona hatramin’ny 31 taona tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Tao amin’ny Kianjan’ny Fifankatiavana tao amin’ny kaominina moa no nanatanterahana izany. Niisa 110 ireo tovovavy ary 293 kosa ireo zatovolahy nihatrika ny fitsarana miaramila tao amin’ny Kaominina Ankadikely-Ilafy tamin’ity taona 2022 ity.

“Hanamora ny fikarakaràna ireo taratasy ara-panjakana ny fahazoana ny Karatra momba ny Fanompoam-pirenena (Carte Verte), raha tsy hitanisa afa-tsy ny taratasy fidirana ho mpiasam-panjakana, sy ny taratasy raha hivoaka ivelan’ny firenena isika” hoy ireo mpitandro filaminana nitsara ireo zatovo ireo. « Tombony lehibe ho anay tokoa ny fanana ny karatra tahaka izao, araka ny voalazan’ireo mpitandro filaminana rahateo dia manampy amin’ny fikarakarana taratasy ny fanana izany » hoy i Mendrika anisan’ireo zatovo niatrika ny fitsarana miaramila. « Mariky ny fitiavan-tanindrazana ny fanana karatra momban’ny fanompoam-pirenena, tombony hahafahan’ny firenena mandroso ihany koa ny fananany tanora maro be manana fahafoizan-tena ho an’ny firenena » hoy i Lanto mpianatra mahakasika ny fampandrosoana.

Isaorana ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena tamin’ny fikarakaràna ireo tanora, ny ben’ny Tananan’Ankadikely Ilafy sy ny ekipany nandray sy niara-nanantontosa izao hetsika izao. Marihina fa ny karatra dia noraisina avy hatrany rehefa vita ny fitsaràna.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire