ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Lehilahy nanana ny naha izy azy lasa mpamono olona

Notsaraina ny herinandro lasa teo tao amin’ny fitsaran’i Royaume-uni i Mark Brown, 41 taona nohon’ny famonoana olona tamin’ny fomba feno habibiana. Mpandraharaha nisehatra teo amin’ny fanorena-trano io lehilahy io, saingy nivari-lavo nohon’ny fitiavana vehivavy mpivarotena na «escort-girl».

Tamin’ny taona 2018 i Mark Brown no nanomboka nanana «escort-girl» nantsoina hoe Leah Ware, 33 taona. Nangataka taminy ny nisarahany tamin’ny vadiny io vehivavy io saingy tsy hita intsony taorian’izay. Nifandray tamin’ny mpivarotena hafa nantsoina hoe Alexandra Morgan, 34 taona indray Mark Brown taorian’izany ary fantatra fa nangataka tamin’io vehivavy ho «escort-girl» vaovaony izy tamin’ny sandany 100 000 livres. Iray volana taorian’izany nefa dia hita faty nodorana tao amin’ny toerana iray nofain’i Mark Brown io vehivavy io.

Tsy fantatra mazava ny antony namonoan’i Mark Brown ireo vehivavy ireo saingy arakin’ny mpampanoa lalàna dia mety higadra mandrapahafaty izy noho izany. Amin’ny 13 janoary 2023 kosa no hivoaka ny valim-pitsarany.

Laisser un commentaire