ActualitésTsidika

Ambatondradama : Toerana mbola ahitana doany be mpanasina indrindra eto Antananarivo

Raha miresaka izany atao hoe « doany » izany isika dia eny amin’ireny Rova ireny matetika no teana batsaka azy ireny, na koa hoe any amin’ireny toerana ambanivohitra lavitra be ireny. Toy izay koa raha vao hoe resaka mpanandro na mpitaiza olona dia mieraitreritra olona antitra sy misalaka mena antsoina hoe « dadarabe » isika. Tsy toy izay anefa fa eto Antananarivo, eto amin’ny distrikan’Avaradrano dia misy ireny atao hoe « doany » ireny, misy ireny mpanandro sy mpitaiza olona ireny koa ao an-toerana, dia tsy aiza izany fa ao Ambatondradama.

Raha maheno ny anarany fotsiny, ilay hoe « Ambatondradama » dia efa fantatra sahady fa vohitr’andriana ilay toerana, raha ilay hoe « Radama » fotsiny aza dia midika fa mpanjaka mihitsy, tanàna iray 2km miala an’Ambohimanga izy io ary manana ny tantarany raha eo amin’ny tantara fahiny teto Imerina.

Amin’ny maha Ambatondradama azy dia ny Mpanjaka Radama vaoalohany no resahina eto, izany hoe ilay mpanjaka nandimby an’Andrianampoinimerina. Tendrombohitra izay mitatandavana, inoan’ny olona fa itoeran’ny fanahy tsy hita maso, misy doany ao an-toerana ka efa hatramin’ny andron’ny mpanjaka Radama voalohany no nisian’io tao, izany hoe toerana fanandroan’ny mpanjaka fahiny. Ny nahatonga ilay anaran-tanàna, raha ny fanazavan’dRakotondrafara Martin dia « fahiny dia nitondra vato tamin’ny tanany an-kavanana avy teny amin’ny Ambohimanga ny mpanjaka Radama voalohany ary mbola voatahiry ao izany ».

Miisa 5 ny doany ao an-toerana, ary samy manana ny asany avy. Miainga avy any ambany, ary miakatra makany ambony ny filaharan’izy ireo. Raha ny fanazavan’ny mpiandry doany hatrany dia « ny loharanon’Andriampitsarana no voalohany, arak’izany anarany izany dia ahitana rano izy io, handroana na hidiovana, ao ambony kosa ny an’ny Raketamanga, tsy lavitra azy manaraka eo ny an’dRamaroanaka, ary any ambony indrindra ny doanin’Andrianampoinimerina sy Radama. Mbola hita ao ilay vato naha Amabtondradama an’ilay toerana, misy vatolampy misy rano koa ao amin’io. Misy Doany natokana ho an’ireo mpitari-tafika koa ao ambony ao, dia Ikotomaditra izany, ary hita ihany koa ny an’ny Nenibe Ravola ».

Tantara sy fomba amam-panao Malagasy daholo ireo rehetra fa ny tena tiana asongadina dia mbola ny vakoka eto Madagasikara hatrany. Vohitra tena mbola kanto sy voajanahary koa izany Ambatondradama izany ary afaka mitsidika an’Ambohimanga koa raha avy ao aminy satria lalana lalovana ihany izany.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire