Atsimo : Mandeha indray ny fizarana sakafo ho an’ny fianakaviana tena marefo ara-tsakafo
Niainga indray ny « caravane » vaovao hizara sakafo 40 taonina ho an’ny vahoaka tratran’ny kere any Atsimon’ny nosy ny 19 novambra lasa teo. Sakafo toy ny vary sy ny katsaka ary ny vaomaina sy ny legioma ireto nentina ho an’ny mpiray tanindrazana ireto. « Kendrena ho fianakaviana 2 000 izay tena ianjadian’ny hanoanana nandritra ny herinandro maromaro ireto no hahazo ireto tohana ara-tsakafo ireto ary hitohy hatrany izany » hoy ny avy ao amin’ny Lions Club International eto andrenivohitra izay mikarakara izao fanampiana izao.
« Tena mijaly ny mponina any Atsimo. mila vonjena izy ireo kanefa tsy tena hamaha ny olana raha sakafo mora lany ao anatin’ny andro vitsy no entina fa mila mitady vahaolana tena maharitra ny tompon’andraikitra » hoy i Basile, mponina eto andrenivohitra. « Ny avy ao amin’ny BNGRC sy ny CCO-Kere izay tena mahita ny eny am-potony no mahita ireo fianakaviana tena mila ity fanampiana ity ary ireo mpilatsaka antsitra-po no hizara izany » hoy ny mpikarakara.
Efa betsaka tokoa izay fanampiana ara-tsakafo izay satria ny sakafo tokoa dia filana isan’andro fa tsy isam-bolana akory ka tokony tena hitadiavana vahaolana maharitra sy haingana tokoa mba hisitrahan’ny rehetra sakafo ara-dalàna araka ny voarakitra ao amin’ny fanambarana manerantany ny zon’Olombelona.
Nicole Rafalimananjara
