Varotra : Miakatra avokoa ny vidin’entana ankoatra ny vidin’ny lavanila
Efa niteraka resa-be ary mbola hiteraka resa-be ihany ity vidina lavanila tsy tahaka ny nampanantenaina ity satria dia vao maika nidina ho 15 000 Ar ny kilao raha toa ka 200 000 Ar izany tamin’ny telo taona lasa. Lasa maivan-danja ny vokatry ny tantsaha amin’izao izay tena vao maika manimba ny sehatra fambolena.
« Tsy mitsaha-midina ny vidin’ny lavanila ka mitaraina ireo tantsaha kanefa efa nomena toky izy ireo, tena mampalahelo ny tantsaha » hoy ny tompon’andraikitra any Andapa. « Ny kilaon’ny lavinala maitso dia amin’ny vidiny 15 000 Ar ankehitriny raha toa ka 200 000 Ar tamin’ny telo taona lasa. Izany hoe nisy fihenana hatramin’ny 92,5% » hoy ireo tantsaha mpamokatra. « Tsy mitsahatra miaka-bidy avokao ny vidin’entana ny an-tsena amin’izao hafa-tsy ny vidin’ny lavanila irery izay tena mbola tsy nisy tao anatin’ny taona maro ny fiakarany » hoy ny solombavambahoaka iray. Efa nisy tokoa ny fampanantenana na talohan’ny taom-piotazana aza ny amin’ny fampiakarana ny vidiny tsy hamono antoka ny tantsaha, saingy tsy mbola hita izany ankehitriny.
Mandeha anefa ny fanondranana, lafo ny vidiny rehefa tonga any ivelany, saingy ireo tantsaha izay angady nanana indray no miaritra ny fatiantoka miopampana.
Nicole Rafalimananjara
