SportTsidika

Kitra Avaradrano: Nandresy ny kaominina Masindray ny kaominina Alasora

Nandresy nandritra ny lalao hihaonan’ireo kaominina rehetra ao Avaradrano nanoloana ny Kaominina Masindray tamin’ny isa 4 noho ny 2 ny Kaominina Alasora. Notontosaina teny amin’ny kianja Masindray ny lalao ka ny 28 novambra indray ny lalao manaraka ho an’ity kaominina nandresy ity.

« Misaotra tamin’ny fanotronana ny ekipantsika satria tena zava-dehibe ho an’ny mpilalao baolina tokoa ny fanohanana azy, mitohy hatrany ny ezaka ary ny fandresena no tanjona » hoy ny ben’ny tanànan’Alasora, Randriantsoa Jimmy. « Ny resy tsy ankoraina ary ny nandresy tsy hobiana, lalao ara-piralahiana hanampiana hatrany ny fihavanan’ireo kaominina rehetra eto Avaradrano ity no fampialana voly ho an’ny mponina fa tsy sanatria natao hananganana ady akory » hoy ny mpikarakara ny lalao eto Avaradrano.

« Tena ilaina tokoa ny lalao tahaka izao mba ho entina hampandrosoana ny Distrikan’Avaradrano satria isan’ireo manambatra ny kaominina rehetra hiara-hientana any amin’ny fahombiazana hatrany » hoy i Lanto, mponina ao Masindray.

Mitohy hatrany rahateo ny lalao amin’ity baolina kitra ao Avaradrano ity ary hinoana fa hitondra fandrosoana eto amin’ny Distrika izany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire