Norvège : Firenena mandroso indrindra amina fepetra maro i Norvège
Maro be ireo firenena sokajiana tena mandroso noho ny tanjany ara-bola, anisan’izany i Chine sy Etats-Unis. Verezin’i Norvège nefa ireo firenena samihafa ireo amina fepetra maro hafa toy ny amin’ny lafiny fandriam-pahalemana, eo amin’ny fitoviana, fampianarana ary fahantrana.Manaraka azy ao i Australie, arahin’i Suisse, ary Allemagne no eo amin’ny laharana fahaefatra.Nanamafy io fandrosoan’i Norvège io i Helen Clark, misahana ny fandaharana asan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana. Nanazava izy fa nivoatra lavitra noho ny tatitra nataony tamin’ny taona 1990 ny firenena. Nanamafy ihany koa izy fa firenena Afrikanina no lavitra indrindra ao amin’ny lisitry, anisan’izany i Niger, Congo, Centrafrique ary Tchad.
