Toe-karena : Tokony amboarina ny vidin’ny trondro ho zakan’ny fahefan’ny Malagasy maro an’isa.
Hazan-drano be mpisitraka indrindra ny tilapia eto Madagasikara. Mbola vitsy anefa no afaka manjifa izany noho ny vidiny izay midangana. Raha 6 000 ariary hatramin’ny 9 000 ariary izany ho an’ny ao Afrika dia efa mahatratra hatramin’ny 24 000 ariary izany ho an’ny eto Madagasikara. Mbola malalaka ny lalana amin’ny fitrandrahana ireny hazan-drano mamy ireny ka tokonyb hifanaraka amin’izany ihany koa ny tolo-bidy.
« Lasa tafiditra aoa antin’ny antsoina hoe “produits de luxxe” ny trondro amin’izao fotona izao ka manahirana ny misitraka izany ho an’ny ankamaroan’ny Malagasy. Manjary indray mandeha isaky ny herinandro ihany ny fanjifana izany raha misy kanefa dia tokony hanana fahefana malalaka amin’izany isika eto Madagasikara. Mila hatsaraina izany vidiny izany ho tombontsoan’ny roa tonta dia ny mpanjifa sy ny mpivarotra izany. Mila hampitomboana araka izany ny famokarana hahafahana manitsy io vidiny io », hoy ny Minisitry ny Jono sy ny toe-karena Manga nandritra ny BFR 2 tao Toamasina.
Nahafahana manatratra izany tanjona izany dia miantso ireo mpisehatra rehetra maniry ny hiasa amin’izany fiompiana trondro izany ny Minisitra. Toamasina, Ambatondrazaka, Fenoarivo Atsinanana, samy mbola azo hitrandrahana izany avokoa ka azo hatao ny manangana orinasa any an-toerana. « Ankoatra ny fomba fiompiana matihanina dia mitana anjara toerana lehibe ihany koa ny fampisakafoanana ireo trondro ireo hahafahana manatratra lanja tsara. Izany no indraindray tsy araka ka mahatonga ny vokatra tsy ho ampy », hoy ireo mpiompy.
Efa nisy ihany ireo vahaolana antolotr’ireo mpisehatra tsy miankina ny amin’ny famokarana ireo otrik’aina omena ireo trondro ireo saingy misy tsy fahampiana hatrany izany. Antso ho amin’ireo fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra rehetra araka izany no nangatahan’ny Minisitra hahafahana manatratra ny tanjona tsara amin’ny vidin’ity trondro ity.
Miora Raharisolo
