Lisi-pifidianana: Manodidina ny 400 000 ny isan’ireo olona noesorina tao anaty lisitra
Dépêche 12 avril, 14h, Manodidina ny 400 000 ny isan’ireo olona nesorina tao anaty lisi-pifidianana noho ny antony samihafa. Teo ny fitoviana anarana na anarana miverimberina na mitovy laharana karapanondro. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ireo nahitana tsy fahatomombanana ka tsy maintsy averina. Marihina fa olona 10 069 136 no voaisa hatramin’ny nanaovana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Miisa 623 662 ny mpifidy voasoratra anarana ara-dalàna eto Madagasikara rehefa voamarina izany. NIfarana vonjimaika omaly moa ny lisitra fa mbola mitohy hatramin’ny 31may kosa ny fisoratana anarana. Ny lisitra farany hivoaka ny volana jona 2023 no ho ampiasaina amin’ny fifidianana eto Madagasikara.
