Ikopa: Tovolahy iray hita faty
Nahitana razana efa simba teny amoron’Ikopa, Atsimon’Ambohipo omaly maraina. Tsy fantatra mazava ny mombamomba an’ity tovolahy ity na ny antony nahafaty azy. Efa mandeha ny fikarohana sy ny fanadihadiana ary andrasana izay mety ho tohiny araka izany.
