Ambatomaro: Olona enina no nahiditra am-ponja tamin’ilay fanafihana « cash point » naharatrana renim-pianakaviana
Olona valo no voasambotra tamin’ilay fanafihana narahana famonoana renim-pianakaviana iray, mpanao cash point, teny amin’ny faritra Ambatomaro, ny 9 septambra lasa teo. Ny efatra tamin’ireo olon-dratsy nanao ny fanafihana dia nahiditra eny Tsiafahy, ny roa kosa dia vehivavy, izay nampidiraina eny amin’ny fonjan’Antanimora, araka ny voalaza.
“Ny alatsinainy teo no natolotra ny fampanoavana izy ireo. Ny efa-dahy naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy, raha eny Antanimora ny vehivavy roa. Ny lehilahy iray sy vehivavy iray ambiny kosa nahazo fahafahana vonjimaika. Nanamora ny fisamborana azy ireo dia ny fitadidian’ilay renim-pianakaviana ny endrik’izy ireo” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
“Mampihorin-koditra raha ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana. Tsy manana antenaina hiaro intsony ny mponina fa miandry ny fandraisana andraikitry ny mpitandro ny filaminana hanao ny asany ary hanafay tanteraka ireo olon-dratsy izay tratra” hoy i Rolland, tompona tsenam-barotra.
Marihina moa fa tratra niaraka tamin’ireo olon-dratsy ny fitaovana entin’izy ireo manao ny asa ratsiny. Basy « revolver » iray, fanamiana miaramila maromaro entina misoloky, moto « scooter » iray tsy misy taratasy sy antsy lavalela ary ody no sarona tamin’izy ireo. Tsiahivina fa, vola 10 tapitrisa ariary sy finday 8 no lasan’ireo jiolahy tamin’io fanafihana io.
