ActualitésTsidika

Ankadikely ilafy : Jiolahy mpamerin-keloka lavo nandritran’ny fifandonana tamin’ny zandary

Jiolahy mpamerin-keloka amin’ny fakana an-keriny sy mpanao fanafihana mitam-piadiana, miisa telo no lavo nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary, ny alin’ny talata hifoha alarobia 31 janoary, tokony ho tamin’ny 1ora maraina. Tao Ambohibe Ilafy, kaominina Ankadikely Ilafy no nitrangan’ny fifandonana, araka ny voalaza.

« Angom-baovao azo tamin’ny olon-tsotra andro vitsy lasa izay no nampiana fanadihadiana sy fikarohana no nitarika tamin’ny fahalavoana jiolahy miisa telo fanta-daza satria efa mpamerin-keloka amin’ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana sy fakàna an-keriny izy ireo » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Tsy azo sambo-belona izy ireo noho ny famaliany sy fifanandrinany tamin’ny zandary satria dia nanana fitaovam-piadiana mahery vaika nampiasaina tamin’izany izy ireto toy ny basy kalachnikov iray  sy pistolet automatique calibre 7,65mm miisa roa » hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina moa fa nisy ny fanarahan-dia nataon’ireo zandary nahafahana nanatratra ireto olon-dratsy ireto. Maromaro ny trangana fifandonana teo amin’ny zandary sy ny jiolahy niseho tato ho ato, maro ihany koa ireo jiolahy lavo nandritra izany. Anisan’ny mampametra-panontaniana ny maro anefa, avy aiza tokoa no hananan’ireo olon-dratsy fitaovam-piadiana mahery vaika ireo?

Laisser un commentaire