PolitiqueTatitra

Ady any Ukraine : Niverina indray ny daroka baomba ataon’i Russie, olona roa ny maty tao anatin’ny fifandonana

Niverina indray ny daroka baomba rosianina tao Ukraine. Nandritra ny alin’ny talata, hifoha alarobia 31 janoary, nanafika ny sisitanin’i Ukraine ireo tafika eo ambany fahefan’i Vladimir Poutine, tamin’ny alalan’ny fandefasana drones miisa 20 sy balafomanga « balistiques ». Fitaovana am-polony no potika nandritra izany fitifirana izany, sivily roa ihany koa no maty. Ao anatin’izany, miantso ny avy amin’ireo mpiara-dia aminy tandrefana i Unkraine, mba hanampy amin’ny fiarovana azy ireo. I Ukraine izay efa niaina tao anatin’ny ady sy daroka baomba ataon’i Russie tao anatin’ny roa taona izao.

Laisser un commentaire