Anjeva : Mpamaky trano iray tratra tamin’ny asa ratsiny
Lehilahy iray no tratran’ny zandary avy ao amin’ny poste avancé Anjeva gara, rehefa nohadiadiana sy nanaovana vela-pandrika amin’ny asa ratsiny. Tompon’antoka tamin’ny vaky trano tao amin’ny toka-trano iray tao Alakamisy, fokontany sy kaominina Anjeva gara ny tenany, araka ny voalaza.
« ny mpiray tanàna aminy ihany no naripany. Andro atoandron’ny 21 janoary no nanatanetrahany ny asa ratsiny tao amin’ny toka-trano iray ka lasany tamin’izany ny fahitalavitra fisaka 32 pouces. Namidiny 250.000 ariary io fahitalavitra io. Niezaka niolakolana nandritra ny fanadihadiana azy izy saingy niaiky ny heloka vitany rehefa nametrahana fanotaniana saro-baliana » hoy ny zandary avy amin’ny poste avancé Anjeva gara.
« Tena tsy ampoizina ny olona mahavita ratsy amin’izao fotoana izao. Hisaorana anefa ny zandary manao ny asany ara-dalana sy miezaka mampandry fahalemana ny tanàna. Mamay ny tsy fandriam-pahalemana tato ho ato tety an-toerana ka tsy misy afa-tsy ny fahamailona sy ny fanakaikazana ny mpitandro filaminana no vahaolana » hoy i Solo, mponina ao Anjeva.
Araka ny voalaza hatrany moa, dia efa in-telo namaky ity toka-trano iray ity, ity lehilahy ity.
