Fitaterana: Hanomboka hiasa ny volana aogositra ny fitaterana an-dalamby an-drenivohitra
Efa miroso ny asa fanamboarana ny lamasinina andrenivohitra (train urbain). Efa hatramin’ny 60% amin’ny asa ankehitriny no efa vita aoa antin’izany ny fanamboarana ny lalamby, ny lamasinina ary hatramin’ny fiantsonana dia efa misy ny andalam-pamitana. Ho azo ampiasaina amin’ny fanandramana izany ny volana aogositra izao raha arak any tombana.
“Tanjona napetraky ny Filoham-pirenena ny hametrahana ny train urbain hialana amin’ny fitohanana lava reny izay tsy mety misy fanafany eto Madagasikara hatramin’izao. Efa miha-mitombo ny mponina izay 60% amin’ny mponina eto andrenivohitra no mifamezivezy eto ka izany indrindra no antony hanavaozana ity fomba fitaterana ity. Enjahina ho amin’ny volana aogositra ny fampiasana azy aty”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitaterana.
Ankoatra izany anefa dia mbola misy fepetra maro mila harahin’ny tsirairay mialohan’ny andehanan’ny Fitaterana an-dàlamby an-drenivohitra. “Hamafisina ny fepetra fiarovana ary hatao matanjaka izany. Entina indrindra izany hiarovana ny mpandeha sy ireo olona izay monina manamorona ny lalana. Tsy lamasinina tsotra ireo fa efa électrique ka anisan’ny mbola hanaovana fampianarana sy fanabeazana ngeza be izany ho an’ny mpampiasa izany”, hoy kosa ny fanazavana avy amin’ny Tale Jeneralin’ny Fitaterana an-tanety.
Vinavinaina ho lamasinina miisa 10 no hampiasaina amin’ity zotra voalohany izay hampitohy an’ny Amoron’ankona sy Soarano ity. Tsy tokony hisy olana ny fampiasana ity fomba fitaterana ity raha samy manaraka ny lamina hapetraka ny tsirairay mahakasika ny aro loza hoy hatrany ny fanazavana.
Miora Raharisolo
