Etats-Unis : Roa maty, 20 naratra nandritra ny fifampitifirana niseho tany Miami
Ny alin’ny alahady 30 mai teo no nisehoan’ny fifampitifirana izay nahafatesana olona 2 sy naharatrana olona 20. Lalana fivarotana iray any Hialeah, ao Miami izay ahitana olona avy any Cubany ankamaroany no nitrangan’ity fitifirana ity. Nampiantrano fampisehoana iray ny El Mula Banquet Hall ka maro ireo mpanatrika tao ivelany arak any nambaran’ny polisy ao Miami-Dadde tamin’ny fanehoan-kevitra. Olona 3 no niseho tampoka avy any anaty SUV ary nanomboka nitifitra an-jambany ireo vahoaka teo. Niditra tanaty fiara izy telo lahy ireto avy eo ary nandositra avy hatrany. Olona 2 noho izany no maty nandritra ny fitifirana ary 20 naratra izay efa any amin’ny hopitaly k any iray atahorana ny ainy. Tena mampitahotra izy ity hoy ny vehivavy Afro-americaine iray, Angelica Green. Ny zanany lahy sy ny zanak’anabaviny izay samy 24 taona izay samy naratra voatifitra tamin’iny fitifirana iny. “Manahirana indraindray ny tanora, fa tamin’ity indray mandeha ity, tsy mba nanana vintana hijery fampisehoana akory izy, lehilahy tsy fantatra misarotava no avy dia nitifitra ireo vahoaka noho ny antony tsy fantatray akory” hoy hatrany ny nambarany. Ny lehiben’ny polisy, Alfredo Frey Ramirez III kosa nanameloka fa nisy olona nokendrena nandritra ny tifitra izay niseho.
