Indonésie : Firehetana sambo Indonesien, 274 ny olona avotra, 1 tsy hita popoka
Handeha hiampita any amin’ny tanànan’i Sanana ity sambo indonesien KM Karya Inah ity, ary nandalo tao amin’ny nosy kelin’i Moluques no nitranga ity firehetana ity izay nanery ireo mpandeha sasany hitsambikina ho any anaty rano. “Nisy mpandeha 275 tao anatin’ny ity sambo ity, ka ny 274 no avotra soamatsara”, hoy ny nambaran’Iny Muhammad Arafah, tompon’andraikitry ny vonjy voina tao amin’ny fahitalavitra Kompas. “Mbola mitohy ny fikarohana ilay lehilahy 43 taona”. Notsindriany tamin’izany ihany koa fa 35 farahafahakeliny ireo ankizy tao anatin’ity sambo ity. Nandefa sarin’ilay sambo tao anaty setroka mainty nahavariana olona maro izay tsy lavitra ireo mpandeha ireo mpamonjy voina. Mpikambana manodidina ny 10 amin’ireo mpanamory sy tompon’andraikitra tamin’ity sambo ity no voatazona hanaovana fanadihadiana mikasika ny fiavian’ny fahamaizana. Matetika ny fisian’ny lozam-pitanterana an-dranomasina toy itony any Indonèsie noho ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso ireo sambo miasa. Izy itony izay karazam-pitanterana tena be mpampiasa mampifandray ireo nosy 17 000 sy ireo nosy kely sasany.
