ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Ho averina ny lalao famaranana baolina kitra

Ho averina amin’ny alahady 26 izao ny lalao famaranana baolina kitra, sokajy senior, hifanandrinan’ny fokotany Tsarafara sy ny fokontany Soaniadanana, ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Olana teo amin’ny fandaminana sy ara-pitsarana no nanakorontana ka tsy nahatontosa ny lalao tamin’ny fotoana voatondro hanatontosana azy, araka ny voalaza.

 » Efa olana nipetraka foana hatramin’izay eo amin’ny lalao baolina kitra miseho eto Sabotsy Namehana ary tena manakorotana sy manimba ny tontolon’ny baolina kitra ny lafin’ny fitsarana. Ny angatahana amin’ny mpikarakara dia fametrahana mpitsara avy any ivelany hitsara ny lalao hisorohana ny olana miverina matetika ity » hoy i Tojo, mpankafy taranja baolina kitra.

 » Ny taranja baolina kitra dia tahaka ny fanatanjahan-tena rehetra, natao hanabeazana sy hitaizana tanora. Matetika rehefa ny mpikarakara na ny tomponandraikitra ihany koa ny tsy mandray andraikitra dia mivoana io ka izay no tokony hanaovana ezaka hanomezana endrika tsara ilay taranja satria maro ny mpankafy azy io » hoy i Ravo, mpilalao baolina kitra.

Marihina, fa amin’ny kianja Herisatra Rafanodina Sabotsy Namehana ihany no hanatanterahana ity lalao famaranana ity. Hanomboka amin’ny 01ora tolak’andro izany. Nasaina manokana hanatrika ity lalao ity moa i Coach Rôrô, mpanazatra ny ekipa Barea Chan 2023.

Manitra R.

Laisser un commentaire