Matsiatra Ambony : Tapaka ny tetezana ao amin’ny Distrikan’i Isandra
Tapaka ny tetezana eo Mandemoka, Vilihatokana kaominina Ankarinarivo Manirisoa distrikan’i Isandra ao Matsiatra ambony. Izany dia noho ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai, izay nandalo tao Fianarantsoa.
« Tsy misy fivilian-dalana azo atao manoloana ny fahatapahan’ity tetezana eo amin’ny lalam-pirenena faha 42, PK 13 mampitohy an’i Fianarantsoa, Isandra ary Ikalamavony ity » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fitaterana sy ny toetr’andro. « Efa mijery ny fomba hanarenana azy ity ny tomopon’andraikitra ao amin’ny distrikan’i Isandra sy ny ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony. Antenaina fa hivaha tsy ho ela ny olana » hoy ny tompon’andraikitra any Matsiatra Ambony. « Tapaka ny lalana. Tsy maintsy miandry hatrany ny fandaminana anefa isika » hoy i Setra, mpampiasa ny lalana.
Betsaka ny fahasimbana, izay samy laharam-pahamehana avokoa. Tsara raha manaraka ny fandaminana efa napetraka hatrany isika.
Nicole Rafalimananjara
