SocialTsidika

Avaradrano : Efa navoaka ny anaran’ireo mpandresy tamin’ny fifaninana mikasika ny fitiavan-tanindrazana

Efa navoakan’ny fikambanana BTC ao Ambohimangakely ireo nivoaka mpandresy tamin’ny fifaninana mikasika ny fitiavan-tanindrazana. Fifaninana nahitana sokajy telo manodidina ny lohahevitra fitiavan-tanindrazana : tononkalo, cover, ary sary pika.

I Apandy Misaina no nandresy tamin’ny fifaninana tononkalo. I Kevin Raw kosa no nandresy tamin’ny fifaninana cover ny hiran’i Ludger Andrianjaka « Nosy Tanindrazako ». Arahabaina ihany koa i Rako Nomena, nandresy tamin’ny fifaninana sary maneho ny maha Malagasy. « Betsaka ireo nandray anjara. Ezahina hatrany ho lalao madio tao anatin’ny mangarahara no nisy. Mbola betsaka mantsy ny fifaninana ho atao. Efa mandeha any indray izao ny fifaninana mahandro sakafo » hoy i Diamondra, mpitantana ao amin’ny BTC Ambohimangakely.

Fikambanana tena mampandroso sy miezaka mampandroso ny tanora tokoa i BTC. Tsy am-bava fotsiny ihany fa hita amin’ny hetsika ataony mihitsy aza izany. Tsy vitsy ny tanora efa nisitraka tombontsoa tao, ary mbola hanasana ireo tanora ihany koa amin’ireo fiofanana sy fifaninana maro samihafa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire