Ambohimangakely: Lehilahy iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tao Andranomandry, kaominina Ambohimangakely, hivoaka ny lalam-pirenena faharoa, omaly maraina. Taxibe zotra E, kamiao lehibe ary moto iray no nifandona nadritra izany. Namoy ny ainy ilay nitondra moto, taorian’ny nitondrana azy teny amin’ny hopitaly, araka ny voalaza.
“Mafy ny fifandonana, izany no azo amehezana ny zava-nitranga. Anisan’ny lalana mampidi-doza raha ity fiolanana eto ity. Antony tokony hitandreman’ny mpampiasa lalana eto rehetra satria ny loza tsy mampilaza mialoha” hoy i Michel, mpivarotra eo amin’ny manodidina.
“Niverina matetika mihitsy ny lozam-pifamoivoizana tato ho ato. Mila mitandriana daholo ny tsirairay na ny moto na ny fiara tsotra na ny kamiao lehibe. Ireo mpitondra moto indrindra indrindra no tena mila mailo satria izy ireo no tena manao loza be indrindra tato ho ato” hoy i Alain, mponina ao Ambohimangakely.
Niseho matetika ny trangan lozam-pifamoivoizana tato ho ato, tao Ambohimangakely. Vokatry ny tsy fitandremana ve sa noho ny tsy fahampian’ny fanaraha-mason’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny no anton’izany?
Manitra R.
