Kaominina Renivohitra Fianarantsoa: mitohy ny asa fanamboaran-dalana
Toy ny Faritra maro eto Madagasikara dia isan’ny toerana ahitana fahasimban-dalana ihany koa ny ao Fianarantsoa. Noho izany dia mandeha ny asa fanamboaran-dalana any an-toerana amin’izao fotoana izao. Araka ny fanambarana dia orinasa efa matihanina amin’ny asa lehibe no miandraikitra ity asa ity ka azo antoka ny kalitaon’ny asa.
“ Araka ny fitarainana voaray sy ny fidinana ifotony mahakasika ny fahasimaban’ny lalana eto Fianarantsoa dia miroso amin ‘ny fanarenana ny fanjakana. Hahafahana mahazo antoka ny kalitaon’ny asa dia nohezahina ho ireny mpandraharaha matihanina ireny no nalaina niandraikitra ny asa satria mila foto-drafitrasa mafy sy maharitra isika mba tsy hiverimberenana amin’ny fanamboarana. “ hoy ny tompon’andraiki-panjakana
“ Efa ela izahay no nandefa fitarainana tany amin’ireo ambaratongam-pahefana isan-karazany mahakasika ny faharatsian’ny lalana eto Fianarantsoa ka izao izy ireo niroso ampin’ny fanamboarana izao. Somary voaelingelina ny fifamoivoizana saingy ny tombotsoa ao aoriana no jerena dia miezaka manaraka ny fandaminana mba hahavita ny asa haingana ihany koa.”Hoy ny mpitatitra.
Manoloana izao asa izao dia nanao fialan-tsiny ny tompon’andraikitra amin’ny mety ho fikorontanan’ny fifamoivoizana mandritra ny asa ary nanentana ny mpampiasa lalana ihany koa hanana faharetana ary hahay hikojakoja. Tompon’andraikitra amin’ny fikojakojana ny lalana tahaka izao tokoa ny olom-pirenena rehetra satria ny lalana dia fananana iombonana ka tsy tokony apetraka amin’ny fanjakana irery ny fiarovana azy. Ny olom-pirenena rehetra dia tokony ho sarotiny amin’ny fananana iombonana rehetra toy ny lalana, sy ny sekolim-panjakana ary ny hopitalim-panjakana.
Miranto Andriharisoa
