Tsidika

Distrikan’ Ambatolampy: Fiara iray indray no tratran’ny lozam-pifamoivozana

Ny marainan’ny faha 21 Jona no nitranagan’ity loza ity izay nifandoman’ny fiara mpitatitra olona iray avy any Vangaindrano hihaazo an’ Antananarivo sy fiara 4×4 iray ary moto iray tao anaty tetezana tao amin’ny Distrikan’Ambatolampy Faritry Vakinakaratra. Raha araka ny fampitam-baovao dia nandeha mafy loatra ity fiara mpitatitra ity ka tsy tafajona intsony rehefa nifanehatra tamin’ilay fiara iray hafa sy ilay moto. Vokatr’izay dia voadona mafy ilay moto raha tafatsoraka tany ambany tetezana kosa ilay fiara.  Mitotaly 9 ankehitriny ireo naratra mafy nampidirina hopitaly ary zaza 8 taona iray kosa no namohy ny ainy.

Nanamafy  ireo zandary avy ao amin’ny  Vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria Ambatolampy izay namonjy ny voina teny an-toerana  fa ny tsy fitandremana kely  sy ny fandehanana mafy loatra no nahatonga izao loza nandratra sy namohizana ain’olona izao raha natao ny fampitahana ny zava-misy teo amin’ny arabe nisehoan’ny fifandomana.

“Nihezaka niteny ny mpamily mba tsy handeha mafy anay tanaty fiara fa tsy nampidina ny vitesse-ny izy, tsy fantatray mazava na nohon’ny hamaikana na fahatokisa-tena be loatra amin’ny hoe efa za-dalana no antony nahatonga azy nirimorimo toy ireny kanefa dia izao sendran’ ny patsa iray tsy omby vava izao” hoy i Bebe Marie mpandeha.

Matateka moa tatoato no ahitana lozam-pifamoivoizana toy izao ity lalam-pirenena ity ka manentana ny mpamily mba samy hitandrina mba hisorohana ny loza izay mety  hitranga.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire