Tsidika

JIRAMA: Ho afaka ampiasaina amin’ny faran’ity taona 2023 ity ilay foibem-pamokarana herinaratra vaovao etsy Ambohimanambola.

 

Ho fanampiana ireo tobim-pamokarana efa misy sy ho fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra omen’ny orinasa JIRAMA ny mpanjifany dia eo am-panangana foibem-pamokarana iray vaovao izy ireo ankehitriny eny Ambohimanambola.

Raha araka any fanazavana hatrany dia hanana tanjaka manodidina ny 105 MW ity foibem-pamokarana ity raha toa ka vita tanteraka ary hanampy amin’ny famatsiana  herinaratra ho  an’Antananarivo. Araka ny fanazavana nentin’ny teknisianina hatrany dia hifandray amin’ireo tambajotra rehetra efa miasa eto Antananarivo izy ity ka hamaha ny olan’ny fahatapahan-jiro ary koa hanena ny vidin’ny KW izay ho alohan’ny mpanjifa. Manoloana ny ahamehana amin’ny filana ara-pamokaraka kosa anefa dia efa afaka ampiasaina amin’ny ampahany ity tobim-pamokarana ity amin’izao fotoana izao.

 Amin’izao fotoana izao dia manodidina ny 25 isan-jaton’ny asa no efa vita raha araka ny tatitra avy amin’ny tompon’andraikitra. Mitohy hatrany kosa ny ezaka amin’ny famitana ny asa hatramin’ny faran’ity taona ity 2023 izay fe-potoana napetrak’ izy ireo.

“Zary toa efa tsy mampino intsony ny zavatra voalazan’ilay JIRAMA fa efa ho lava ny fampanan-tenana fa miaina anaty haizina foana ihany ny vahoaka hatreto. Asa indray amin’ity na mba hisy fiovana na tsia” hoy ny fanehoan-kevitr’i Raymond mpanjifan’ny JIRAMA.

Endrasana noho izany ny fiantraikan’ny fahavitan’ity foibem-pamokarana herinaratra lehibe ity eo amin’ny kalitaon’ny tolotra omen’ny orinasa ary indrindra ny fiantraikan’izany eo amin’ny sarany izay efa tena mampikaikaika mpanjifa maro.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire