Ambohimanambola : Hisy ny fiofanana mahakasika ny fambolem-bary
Hisy ny fiofanana mahakasika ny fambolem-bary, izay karakarain’ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Ao amin’ny fokontany Antanetibe no hanatanterahina izany ny alarobia faha 19 ny volana oktobra izao, izay hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro ny fiofanana.
“Ilaina ny fiaraha-mientana mba ho fanatsarana ny voka-pambolem-bary. Anisan’ny ilain’ny tantsaha tokoa ny fahazoana ireo toro-hevitra momba ny voly vary ary ny fampiharana ireo fahalalana azo tamin’ny fiofanana no hahafahana mampitombo sy manatsara ny vokatry ny fambolena, indrindra fa ny vary, izay foto-tsakafon’ny mponina” hoy I Ndrasana, teknisianina amin’ny fambolena.
“Tsy dia fahita matetika ety ifotony ny fanomezana fiofanana tahaka izao, kanefa tena ilain’ny tantsaha, indrindra amin’izao fotoana mampiovaova ny toetr’andro izao, izay misy akony tanteraka any amin’ny vokatry ny fambolena ka ilàna teknika mampahomby sy manatsara izany vokatra izany” hoy I Jocelyn, mpamboly.
Ny vary no foto-tsakafon’ny malagasy, hatramin’izay ka hatramin’izao. Ary maro ireo mponina no mbola mivelona amin’ny fambolem-bary. Mila fanatsarana anefa ireo teknikam-pambolena izay nampiasaina hatramin’zay mba hahafahana mampitombo ny vokatra sy manatsara ny fambolena. Tsy tokony atao ambanin-javatra araka izany ny fanarahana fiofanana mahakasika ny fambolena.
Manitra Ramanantsoa
