ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Ny 6 mey 2023 no hosalorana satro-boninahitra ny mpanjaka Charles III

Ny mpanjaka Charles III no mpanjakan’i Royaume-Uni taorian’ny nahafatesan’ny mpanjakavavy Elisabeth II. Nanao fanambarana ny « monarchie britannique » fa ny 6 mey 2023 vao hosalorana satro-boninahitra io mpanjaka vaovao io.

Hotontosaina ao Abbaye de Westminster ao Londres ny lanonana izay hotarihin’ny Arsevekan’i Canterbury. Marihana fa tao amin’io toerana io no nanatontosaina ny fisalorana mpanjaka tao Royaume-Uni tao anatin’ny 900 taona farany. Nanamafy ny « monarchie britannique » hanaraka tanteraka ny fomba mahazatra nampiasaina nandritra ny arivo taona ny fizotran’io lanonana io.

Laisser un commentaire