ActualitésTatitra

Italie : Hihaona amin’ny Pape François ny filohan’i France

Tsy mbola nambara tamin’ny fomba ofisialy ny fihaonan’ny Pape François ny filohan’i France Emmanuel Macron saingy efa natsipin’ny olom-panjakana sy ny vondrona Sant’Egidio. Raha ny fantatra ho tontosaina ny 24 oktobra izao, ampitson’ny « forum international sur la paix » izany fihaonana izany.

Ny vondrona Sant’Egidio no mikarakara io fihaonana io. Izy ireo moa malaza amin’ny maha fantsona ny « diplomatie de l’ombre » amin’ny Saint-Siège.  Ny fandriampahalemana sy ny fahamaikana amin’ny fananganana, ny krizy ara-tontolo iainana sy maha-olona izay tsy maintsy handaozan’olona an’arivony ny toeram-ponenany no lohahevitra hifampidinihana mandritra io fihaonana andiany faha-36 io.

Laisser un commentaire